madio sa maloto…?

  1. Madio ve ny olona efa nanao firaisana ara-nofo alohan’ny fanambadiana?

“Tandrovy ny fahadiovanao ry tanora…”…efa renao ve izany filamatra izany azonao an-tsaina ve ny dikany?…

“Aoka tsy hisy olona hanao tsinitsinona anao noho ny hatanorano, fa aoka ho tonga fianarana ho an’ny mino ianao, …amin’ny fitondran-tena, amin’ny fitiavana, amin’ny fahadiovana…”Timoty I 4.12

nianga tamin’io teny io ny ady hevitra eny an-dalana mody, rehefa avy nanatrika fampianarana mikasika ny tanora sy ny fitiavana ary ny sexualité tamin’ny antokom-pinoana iray…ny vehivavy mbola tsy manambady nefa efa tsy virijiny itsony moa dia lasalasa saina ihany hoe “tsy madio itsony aho izany?“…dia hoy ny hafa nikivalavala hoe “angaha ianao tsy nisasa mihitsy no tsy madio?“…”k’efa hoe tsy nahatandro ny fahadiovako aho, tsy misy resaka fisasana amin’izany…”

Fa ny tena loza dia ity, rehefa niresadresaka ny tovolahy dia toa nirona amin’ny fitadiavana fofom-bady “madio“…”zaho kosa, rangahy tsy hanambady vehivavy efa tsy virijiny itsony a,hoy ry zalahy, filamatro josefa…”…”ialahy angaha mbola tsy tany tamin’ialahy mbola tsy mpino?, hoy ny fanadrohadroana, raha efa tany ialahy dia ialahy koa izany efa tsy madio… :-) …tsy tokony maka vady madio”…kapai-ts’hita fery

Maninona ary no dia atao an’izany?…Mahita tsirony anie ny olona miroboka amin’io e…mandaing’eo izay milaza ny mifanohitra @ izany…ary raha miaro tena sy mikojakoja vatana izy, tsy ho tratran’ny aretina, ka MALOTO amin’ny ahoana ary?…

Dia iza itsony no hanambady ireny vehivavy hita fery ireny?, eo @ sehatry ny mpino no resahako eto – raha tsy azonao tsy maninona, manaiky aho fa be dia be ny lafiratsin‘ny firaisana alohan’ny fanambadiana ka mahatonga ny mpino hiteny hoe “fahotana” ny firaisana alohan’ny fanambadiana…fa na dia izany aza, mba aza hosoram-potaka hoe “tsy madio” ireo sendra solafaka…

“efa voasasa ianareo, efa nohamasinina ianareo, efa nohamarinina ianareo, tamin’ny anaran’i Jesosy Kristy Tompo sy tamin’ny Fanahin’Andriamanitsika”I Kor 6.11

…Efa nodiovina avokoa ny olona izay mandray an’i Jesoa ho Tompo sy Mpamonjy azy…Efa voasasa…

 2. Inona ary no tokony ataon’izay mbola tsy manambady?

Tsotra be ny valin-tena faheno andavan’andro:”…tsy manao an’izany…”, ekena fa tokony tsy hanao an’izany fa dia inona kosa no antony?…dia mandeha eo daholo ny hevitra hoe  “sao bevohaka tsy nahy…ka miteraka fahafaham-baraka eo amin’ny fiaraha-monina, na mety hanimba ny fiainana ho avy” dia hoy ny valiny kivalavala “efa misy Kapoty efa misy fanabeazana aizana”…

na koa ny hevitra hafa hoe “Ota izany ka mahatonga ny fahatezeran’Andriamanitra“…dia hoy ny valiny kivalavala “fa iza no tena olona mety tsy ho lavo mihitsy”…

Raha mandidy ny tananao amin’ny antsy ianao, dia mety ho sitrana ihany, fa hisy fery ho hitanao mandrakariva eo amin’ny tananao…Holatra…raha namorona izao tontolo izao Andriamanitra dia nanao ny olombelona ho lahy sy vavy, izany hoe misy vady efa nomanin’ Andriamanitra ho an’ny tsirairay… Lahy sy Vavy…

Ny olona niaraka nanao firaisana tamin’ny olon-kafa ankaotran’ny vadiny dia betsaka no milaza fa mahita an’eritreritra ireny olona hafa nanaovany firaisana ireny rehefa miray amin’ny vadiny… hany ka lasa mitombo ny fahalemena hitany amin’ny vadiny, miteraka adin-tsaina lehibe izany…

Ekena fa tsara sy mahafinaritra ny manao, ahitana fahafinaretana, nefa tsy natao ho hangalarina izany…

ny fiandrasana ny fanambadiana, sy ny tsy fanaovana firaisana alohan’ny fanambadiana dia manampy be dia be amin’ny fianarana ho mahatoky… ahoana tokoa moa no hahasahiana milaza fa tsy hangalam-pihinana ilay olona miaraka aminao na ianao, tsy nisy fifanekena tsinona teo aminareo… nefa dia marary ery anie ny fo raha mahafantatra fa “nanao” tamin’ny olon-kafa ilay olona miaraka aminao…

Ny firaisana alohan’ny fanambadiana dia mandrava ny fiarahana, na dia tsy hita mivantana aza izany… rava noho izany ny fiarahana mifankatia hafa tokony hivelatra, ny fifanakalozana hafa tokony hivelatra eo amin’ny olon-droa…satria isaky ny mifankahita dia te-”hanao”…ary rehefa tsy afaka manao dia tsy te-hifankahita…nampianarin’ny andavan’andro hieritreritra fa ny “manao” no antsoina hoe “fitiavana”…

Ny lehilahy dia faly sy mibitaka ery rehefa “nahavoa” vehivavy iray, ny ankabeazany dia mitantara amin’ny namany miaraka main’ny ambo (mizesta)…ny vehivavy indray dia manafinafina, mipiripirina, ary mahatsiaro tsy fahampiana…

3.Inona no antony mamporisika hanao alohan’ny fanambadiana?

satria izay no hita amin’ny film – satria izay no ataon’ny namana – satria sao tara –  satria mahita fahafinaretana – ary satria te-hanao…

ny tadiavina eo amin’ny fiainana dia tokana : Fahafinaretana

mitady vola satria mba te hahazo fahafinaretana…mihinana glasy, mijery fampisehoana, misakafo tsara, afaka mividy fanafody…

mianatra tsara satria mba te-hahazo fahafinaretana…mahazo asa tsara, mahay ohatran’ny olona…

“manao” satria mba te-hahazo fahafinaretana…mety hoe rehefa manao ny lehilahy dia ohatran’ny lasa mafy be, lasa tena mahavoa, lasa misy lanjany…ny vehivavy indray toa lasa tiana, lasa misy mpankafy…

 nefa dia tsy mety afa-po…sa ahoana?…toa misy zavatra tsy mety miala foana…dia manala azy eny foana…sa ahoana…

 

(hitohy miandalana)

Laisser un commentaire