rehefa tafaraka miangona, dia matetika misy solon-tena 1 mivavaka, na koa mifandimby mivavaka…mangina daholo ny hafa fa ilay 1 ihany no manao ranom-bavaka …dia samy mikipy daholo, ary tsindraindray miondrika…
Misy moa ny antokom-pivavahana sasany mampiasa ilay fiteny hoe “Amena” eny anelanelam-bavaka, ka ny olona hafa tsy manao ilay ranom-bavaka no miteny hoe “Amena” eny antenanteny eny, midika fa dia tena izay lazain’ilay solon-tena izay mihitsy no heviny…”Amena”… ka tsy ilay “Amena” famaranan-bavaka io…t@ izaho sambany naheno olona nanao izany voalohany dia lasa saina hoe “lava loatra ngaha ny vavaka ataon’iranona ka tian-dranona faranana amin’izay…” nefa vao maika nazoto be nanohy ilay solontena raha vao naheno ilay “amena”…ary niova mihitsy aza ny feony lasa tsy maiambakavaka izay…fa ny tena tiana resahana androany dia ity… :
i Bebeanay (efa maty), no mpamporisika anay mivavaka alohan’ny hatory taloha, hany ka rehefa manapitra ny fialan-tsasatray “vacances” any aminy izahay dia voatery miatrika ny fotoam-pivavahana hariav ao an-tranony miaraka aminy…misy hira kely aloha…misy vaky teny kely…dia avy eo samy mivavaka mangina dia faranany…
Fa anatra izany ao anaty vavaka izany, ohatrany mitati -bolana @ Andriamanitra ny tsy nety ataonay izy, dia ohatran’ny manoro an’Andriamanitra hoe izao sy izao no tokony ataon’Andriamanitra aminay, … , tena toriteny ho anay e…any an-tsainay @ izany hoe “izay indray bebe“…
taty aoriana aho mahatsiaro izany dia mihomehy, hay moa ny olona rehetra (tsy rehetra ka) manao toy izany daholo rehefa mivavaka… manao toriteny an-kolaka ary mampianatra sy manoro an’Andriamanitra izay tokony ataony…
Tsy haiko fa izaho izao mieritreritra hoe TSITOHA Andriamanitra ka Fantany izay ataony, izay nahatonga azy niteny hoe raha mivavaka ianareo aza mba manao teny maro foana tahaka ny jentilisa fa ataony ho ny hamaroan’ny teniny no hihainoana azy koa aza manahaka azy ianareo fa fantatry ny Rainareo izay tokony ho anareo raha tsy mbola mangataka aminy aza ianareo…
dia inona daholo no hotenenina izany @ ilay hoe mivavaha ka aza mitsahatra